Aller au contenu

Klaodio (emperora)

Avy amin'i Wikipedia
Klaodio

I Klaodio na Tiberio Klaodio dia emperora rômana nanjaka tamin' ny taona 41 ka hatramin' ny 54 taor JK. Anisan' ny tarana-mpanjaka Jolio-Klaodiana i Klaodio. Atao hoe Tiberius Claudius Caesar Augustus Germanicus izy amin' ny teny latina ary teraka tamin' ny 1 Aogositra 10 taor JK sy maty tamin' ny 13 Ôktôbra 54 taor JK. Izy no rain' i Droso (Drusus) sy i Antônia Minôra (Antonia Minor) tao Logdonoma (Lugdunum), any Galia Rômana, ary napetraka tao amin' ny maha miaramila mpisolo tena ny rainy. Izy no emperora rômanina voalohany teraka tany ivelan' i Italia.

Noho izy nalemy sy somary marenina noho ny aretina tamin' ny fahatanorany dia noroahin' ny fianakaviany izy ary nesorina tamin' ny asam-panjakana mandra-pahatongany ho amin' ny asan' ny kônsola (izay niarahany nisahana tamin' i Kaligola, zana-drahalahiny, tamin' ny taona 37). Ny fahalemen' i Klaodio dia nanavotra azy tsy ho tratran' izay nahazo ny andriana maro hafa tao amin' ny Empira Rômana nandritra ny "fanadiovana" nandritra ny fotoana nanjakan' i Tiberio sy i Kaligola, satria tsy noheverin' ny fahavalony ho loza mitatao izy. Nambaran' ny mpiambina pretôriana ho emperora izy taorian' ny namonoana an' i Kaligola, izy no lehilahy lehibe sisa farany tao amin' ny fianakaviany.

Na dia teo aza ny tsy fahampian' ny traikefany dia mpitantana nahay sy nahomby i Klaodio. Nampitombo isa ny mpitantana ny borôkrasia imperialy izy mba hampidirana olona afaka, ary nanampy tamin' ny famerenana amin' ny laoniny ny fitantanam-bolan' ny empira taorian' ny fihoaram-pefy tamin' ny fitondran' i Kaligola. Mpanorina fatra-paniry laza koa izy ka nanamboatra lalana vaovao sy lalan-drano ary lakandrano nanerana ny empira. Nandritra ny fotoana nanjakany dia nanomboka niady sy nanao ny fakana an' i Britania (na Britaina) ny Empira Rômana, izay nahomby. Manana fahalianana manokana amin' ny lalàna izy, ka nitarika fitsarana ampahibemaso, ary namoaka didy isan' andro. Hitan' ny olona ho marefo izy nandritra ny fotoana nanjakany, indrindra fa teo imason' ny andriana sasany. Voatery nanamafy hatrany ny toerany i Klaodio, ka izany no nahatonga ny fahafatesan' ny senatera maro. Nanimba ny lazany teo amin' ny mpanoratra fahiny ireo fisehoan-javatra ireo, na dia nahitsin' ny mpahay tantara vao haingana aza izany fiheverana izany. Mpanoratra maro no milaza fa novonoin' i Jolia Agripina (Julia Agrippina) vadiny izy. Taorian' ny nahafatesany teo amin' ny faha-63 taonany, dia nandimby azy ho emperora i Nerô.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]